Fepetra ankapobem-pampiasana

Manankery manomboka ny 01/03/2021

ANDININY 1 : Fanekena ny fepetra

Ireto fepetra ankapobeny ireto no mamaritra ny fahazon-dàlana misitraka ny tolotra aroson'ny orinasa BEST PLACE ho an'ny « dokam-barotra » sy ny tolotra rehetra mifandraika amin'izany.
Ireto fepetra ankapobeny ireto dia natao ho an'ny mpampiasa rehetra, na mpitsidika tsotra na mpanao dokam-barotra izany.
Mba hisitrahana ireo tolotra aroson'ny BEST PLACE dia mila manaja ireto fepetra manaraka ireto ny mpanjifa. Ireto fepetra ankapobeny ireto dia miaraka amin'ny rohy.
Ny fampiasana ny tranokala sy ny tolotra rehetra dia natao ho an'ny olon-tsotra sy orinasa monina eto Madagasikara ka misehatra amin'ny sokajy mifandraika amin'ny tolotra misy ato anaty tranokala.
Alohan'ny hampiasana ireo dokam-barotra majinika sy ireo tolotra hafa eto amin'ny BEST PLACE dia tokony hahafantatra sy hanaiky ny fitambaran'ireo fepetra rehetra, dia ny fepetra ankapobeny sy ny fepetra momban'ny varotra hita ato anaty tranokala ny mpanjifa.
Ny fepetra sy ny fitsipika rehetra ato amin'ny fepetra ankapobeny dia afaka miova avokoa. Ary ny fanovàna dia manan-kery avy hatrany rehefa hita amin'ny Internet.

ANDININY 2 : Fampiasana ireo tolotra aroson'ny Best Place

2.1 Fitsipika
Ny mpampiasa rehetra - ny mpanao dokam-barotra rehetra dia manambara fa tokony hanana Internet misoratra amina mpamatsy internet izay tiany ary andraikiny manokana ny vidin'izany. Tsy azo antoka ny fampitàna noho ny tsy fitovian'ny fotodrafitrasa sy ny tambajotran-tserasera ary indrindra ny mety hisian'ny fahatapahana.
Anjaran'ny mpanao dokam-barotra ny mandray ny fepetra izay heveriny fa mety amin'ny fiarovana ny fitaovany sy ny hangonany manokana, ny logiciel na ny hafa, indrindra amin'ny fandotoana avy amin'ny viriosy.
Ny fitaovana rehetra mifandray amin'ny tranokala dia mijanona ho andraikitry ny mpanao dokam-barotra irery ihany. Ny BP dia tsy azo raisina ho tompon'andraikitra amin'ny fahavoazana na mivantana na ankolaka mety hitranga vokatry ny fifandraisana amin'ny tranokala.
Ny mpanao dokam-barotra, raha azo atao, dia manaja sy mitazona ny tsiambaratelon'ny fahazoan-dàlana hidirana ao anatin'ny Kaontiny manokana na ny kaonty Pro ary manaiky mazava fa ny fampiasana ny kaontiny manokana na ny kaonty Pro, ary koa ny fandefasana angon-drakitra avy amin'ny kaontiny manokana na Ny kaonty Pro dia hoheverina fa nataon'ny mpanao dokam-barotra.
Ny fahaverezana, fanodikodinana na fampiasana fahazoan-dàlana fidirana sy ny mety ho vokany dia andraikitry ny mpanao dokam-barotra irery ihany.
Ny mpanao dokam-barotra dia ampandrenesina ary manaiky fa noho ny antony ara-teknika dia tsy halefa avy hatrany ny dokam-barotra ataony rehefa avy navoaka tao amin'ny tranokala.
Ny mpanao dokam-barotra dia ampahafantarina fa amin'ny famoahana ny dokany ao amin'ny tranokala, dia mety hozarain'ny mpampiasa sy / na mpanao dokam-barotra ao amin'ny tambajotra sosialy Facebook izany, amin'ny alàlan'ny bokotra fizarana mifandraika amin'ny pejy.
Izay doka navoaka dia hapetraka ao amin'ny tranokala.
Ny mpanao dokam-barotra dia ampahafantarina fa ny BP, ny orinasa reniny ary ny orinasa rahavaviny dia afaka mamoaka tolotra doka voasokajy hametrahana izany.
Ny mpanao dokam-barotra rehetra dia manaiky fa ny BP, ny orinasa reniny ary ny orinasa rahavaviny dia afaka mandefa ny dokany amin'ireo serivisy voatokana ireo, ao anatin'ny fetran'ny androm-piainany na mandra-pamafana azy ireo

2.2 Ny toetoetry ny tranokala Best Place
Ny Serivisy BEST PLACE atolotra ho an'ny mpampiasa sy ny mpanao dokam-barotra dia miovaova arakaraka ny sata "olon-tsotra" na "Pro" an'ny mpanao dokam-barotra sy ny fitaovam-pifandraisana ampiasaina.

2.3 Fampiasa azo idiran'ny mpanao dokam-barotra sy ny mampiasa avy amin'ny tranokala
Ny fizahana ny dokam-barotra rehetra miparitaka
Ny fampifandraisana amin'ny mpanao dokam-barotra
Ny fahafahana manoro ny doka amin'ny namana
Mitatitra ny fanararaotana
Ny fitahirizana ny dokam-barotra
Ny fitahirizana ny fikarohana nataoko
Ny fametrahana ny dokam-barotra
Fidirana amin'ny faritra "Mes favoris" :
ny fitahirizana ny dokam-barotra
ny fikarohana mandeha ho azy ny doka
Ny fitantanana dokam-barotra amin'ny alàlan'ny tabilao "Mes annonces" amin'ny kaonty manokana
Ny famafana dokam-barotra : azo atao ny mamafa doka maromaro amin'ny hetsika iray
ny fanovana ny dokam-barotra
Ny fanamoràna ny fomba ahitana ny entana
Ny fanitarana ny Doka amin'ny fiafaran'ny fe-potoana ambony indrindra 60 andro na 180 andro arakaraka ny sokajy (afa-tsy ny sokajy sasany izay tsy voafetra ny fiainan'ny dokam-barotra)
Ny famandrihana ny safidin'ny fandoavam-bola amin'ny alàlan'ny carte bancaire sy/na amin'ny crédit
Ny fividiana crédits amin'ny carte bancaire (fampiasana tsy azo sitrahan'ny Applications)
Fidirana sy fitantanana ny kaonty manokana :
Ny fitantanana (fanavaozana, fanovana, sns.), amin'ny fotoana rehetra, ny mombamomba ny tena manokana nampidirina nandritra ny famoronana ny kaonty manokana :
Fampahafantarana tsy maintsy atao : anarana, fanampin'anarana, mailaka, tenimiafina
Fampahafantarana tsy an-tery : olom-pirenena, taona, mahaliana, sehatr'asa, laharana finday, sns.
Fampidirana sary hahafantarana azy ao amin'ny tabilao « Profile » amin'ny kaonty manokana, ny mety hanovana sy hamafana azy. Izany dia ho hitan'ny mpampiasa hafa amin'ny mombamomba an'ilay mpampiasa voakasik'izany sy amin'ny doka an-tseraserany tsirairay.
Ny fandraisana ny fampandrenesana amin'ireto tranga manaraka ireto :
Fanavaozana / fanalavana / fahataperan'ny doka rehetra.
Valiny vaovao mifanandrify amin'ny fikarohana voatahiry

Fanaraha-maso ny :
Safidy voaloa nanoratana anarana ;
Credits novidina sy nampiasaina.
Fanaraha-maso ny mombamomban'ny mpanao dokam-barotra amin'ny alàlan'ny bokotra "Suivre" hita ao amin'ny pejy mombamomba ny mpanao dokam-barotra.
Ny mpampiasa izay nisafidy ny hanaraka mpanao dokam-barotra iray dia hahazo fampandrenesana mailaka isaky ny misy Doka apetrak'ity farany. Azony atao ny manafoana ny fanarahana ny mpanao dokam-barotra amin'ny alàlan'ny pejy mombamomba an'ity farany na ny mailaka fampahafantarana voaray.

2.4 Fampiasana avy amin'ny tranokala
Ny fametrahana doka amin'ny alàlan'ny fandoavana ny saran'ny fametrahana
Ny fitantanana doka amin'ny alàlan'ny tabilao "Ny dokako" amin'ny kaonty Pro :
Ny famafana ny dokam-barotra : azo atao ny mamafa dokam-barotra maromaro amin'ny hetsika iray, ny fanovana dokam-barotra
ny fampahafantarana ny toerana misy ny entana
Ny fanitarana ny doka amin'ny fiafaran'ny fe-potoana ambony indrindra 60 andro na 180 andro arakaraka ny sokajy
ny safidy fandoavam-bola amin'ny alàlan'ny carte bancaire
ny fividianana crédit amin'ny alàlan'ny carte bancaire (fampiasana tsy azo sitrahana amin'ny Applications)
Ny fidirana sy fitantanana ny kaonty Pro :
Ny fitantanana (fanavaozana, fanovana, sns.), amin'ny fotoana rehetra, ny mombamomba ny tena manokana nampidirina tamin'ny namorona ny kaonty Pro :
Fampahafantarana tsy maintsy atao : olom-pirenena, anarana, fanampin'anarana, adiresy mailaka, teny miafina
Ny fandraisana fampandrenesana avy amin'ny Applications amin'ireto tranga manaraka ireto :
Valiny vaovao mifandraika amin'ny fikarohana voatahiry
Fanavaozana / fanitarana / fahataperan'ny doka
Ny fanaraha-maso :
Safidy voaloa nanoratana anarana ;
Credits novidina sy nampiasaina.
Ny fametrahana sy sy fitantanana, amin'ny alàlan'ny tabilao "Contacts" amin'ny kaonty Pro, ny fangatahana fifandraisana amin'ny mpampiasa novokarina tamin'ny alàlan'ny doka.
Ny fitantanana ny fampisehoana tsikera Google ho an'ny mpanao dokam-barotra Pro amin'ny sokajy fiara :
Amin'ireo tsikera noheverina ho tena ilaina hita tamin'ny Google, ireo tsikera telo farany indrindra dia haseho araka ny filaharan'ny fotoana ao amin'ny Pejy matihanin'ny mpanao doka raha voaraikitra amin'ny Google Maps. Ity farany dia manana fahafahana manitsy ity fampiratiana ity, indrindra amin'ny fanesorana azy, amin'ny fanovana ny pejiny matihanina. Ny salan'isan'ny tsikera sy ny totalin'ny tsikera voarain'ny mpanao dokam-barotra Pro voaraikitra ao ami'ny Google Maps dia haseho ao amin'ny pejin'ny mpanao doka ihany koa. Ireo mpampiasa te-hijery ny tsikera rehetra momba ny mpanao dokam-barotra Pro dia halefa any amin'ny tranokalan'ny Google Maps. Ny mpampiasa dia afaka mamaky ny fitsipiky ny Google mihatra amin'ny tsikera.

2.5 Fampandrenesana
5.1 Fepetra handraisana fampandrenesana
Ireo mpampiasa sy mpanao dokam-barotra miditra ao amin'ny kaontiny manokana sy/na matihanina ihany no afaka mahazo fampahafantarana.

6) Ny mombamomba ny kandidà
Ny mombamomba ny kandidà dia maneho ny fahafahany milaza ny mombamomba azy amina tolotr'asa iray. Mba ahitana ny mahakasika azy, dia tsy maintsy mameno ny asa tadiaviny ny kandidà, ny toerana misy azy ao anatin'ny 100 kilometatra ary ny traikefa matihanina farany izay tiany hasongadina. Manana fahafahana hanao ny mombamomba azy ho hita na tsy ho hitan'ny mpampiasa ary hahafahana maka ny CV-ny ihany koa ny kandidà.
2.6 Angon-drakitra manokana
Ny fanodinana ny angon-drakitra manokana ao anatin'ny rafitra ankehitriny dia miankina amin'ny politikan'ny tsiambaratelontsika, izay ampahany manan-danja amin'ireo fepetra ankapoben'ny fampiasana ireo.
ANIDININY FAHA 3 FANOMBANANA IREO DOKAM-BAROTRA
3.1 Fanafoanana ireo dokam-barotra tsy ara-dalàna
Ny BP dia mitahiry ary manana zo hanafoana, tsy misy filazana mialoha, na onitra, na famerenam-bola ireo dokam-barotra tsy manaraka ny lalan'ny fandefasan'ny BEST PLACE sy/na hanimba ny zon'ny hafa.
3.2 Fampahafantarana ireo doka tsy manara-dalàna
Ireo mpanao dokam-barotra rehetra dia afaka mandefa na manao tatitra amin'ny alalan'ny tranonkala sy ireo "Applications" : na amin'ny alalan'ny rohy "Handaza io doka io" izay hita eny amin'ny pejy fandefasana doka tsirairay. Na manindry ny rohy "Hifandray aminay" amin'ny alalan'ny mailaka.

ANDININY FAHA 4 : Ny andraikitry ny antoko

4.1 Manome antoka ny mpanao dokam-barotra
Ireo mpanao dokam-barotra dia manome antoka fa manana ny zo rehetra (zo an'ny fanana ara-tsaina) na mahazo ny fahazon-dalana ilaina amin'ny fandefasa ilay dokany.
Ireo mpanao dokam-barotra dia manome antoka fa ireo doka dia tsy mifanohitra amin'ny lalàna (mifandraika amin'ilay doka, amin'ny fifaninanana, amin'ny fampiroborobona ny varotra, amin'ny fampiasana ny teny frantsay, amin'ny fampiasana ny angob-drakitra manokana, amin'ny frandraràna ny varotra entam-barotra sasany), na amin'ny zo an'ireo hafa (fahatelo) (amin'ny zon'ny fananana manokana sy ny zon'ny toetra) ary tsy misy hafatra manala baraka na manimba ny hafa.
Noho izany, ny mpanao dokam-barotra dia manolo-tena fa ireo Doka dia :
Tsy hisy rohibe mitondra an'ireo Mpampiasa ho any amin'ny tranonkala hanararaotan'ny hafa ny orinasa BP.
Tsy hisy filazàna diso, lainga na toetra hitondra ireo Mpampiasa amin'ny lalan'ny hadisoana.
Tsy hisy fanalam-baraka na toetra hanaratsy ny maha zava-dehibe na/sy ny lanjan'i BP na ny hafa (fahatelo).
Tsy hisy fizàna hanimba ny fananana ara-tsain'ireo hafa (fahatelo)
Tsy hisy filazàna manana toetra hanao doka mifandraika amin'ny asan'ilay mpanao doka. Ny dokam-barotra natao hampandroso ny vokatra iray.
Ny mpanao dokam-barotra dia manolo-tena fa ireo vokatra izay misy ao aminy ihany no atolony.
Ny mpanao dokam-barotra dia manolo-tena fa raha tsy vonona ilay vokatra dia tsy maintsy hanala na hanafoana ilay doka ao amin'ny BEST PLACE amin'ny fe-potoana faran'izay haingana.

Ny mpanao dokam-barotra manolo-tena fa hanolotra famaritana ilay vokatra mifanaraka amin'ireto manaraka ireto :
Vaovao : Vokatra mbola tsy niasa, feno, mifono ary miaraka amin'ny torolalana hampiasana azy.
Tena tsara : Vokatra mbola tsy niasa na niasa kely, tsy misy kilema, feno sy mandeha tsara.
Tsara : Vokatra mandeha tsara, misy kilema kely (voalaza ao amin'ny doka ary hita amin'ny sary)
Antonony : Vokatra mandeha ara-dalàna, misy kilema sy marika fa efa niasa (voalaza ao amin'ny doka ary hita amin'ny sary).
Amin'ny ampahany : Vokatra tsy miasa na tsy mandeha, averina tanteraka na tapanay misaraka.
Navaozina – Ho an'ny matihanina irery : Vokatra tsy voafono sy efa niasa, voafehy sy notsapain'ireo matihanina mba handeha indray ary naverina nofonosina.
Ho an'ny sokajy akanjo sy kiraro irery :
Vaovao miaraka amin'ny etikety : Entana mbola tsy nanaovana, miaraka amin'ny tenifototra fividianana.
Vaovao tsy misy etikety : Entana mbola tsy nanaovana fa tsy misy tenifototra fividianana.
Tena tsara : Entana efa nanaovana fa tsy misy kilema na tasy.
Tsara : Entana efa nanaovana, misy kilema kely na tasy (voalaza ao amin'ny doka ary hita amin'ny sary).
Mahafa-po : Entana efa nanaovana, misy kilema kely na soritra mazava (voalaza ao amin'ny doka ary hita amin'ny sary).

Ny mpanao dokam-barotra dia manambara fa mahalala ny fandefasana ao amin'ny tranonkala, maka ny fitandremana mba hanajana ny lalàna manan-kery amin'ny toerana fandraisana ary manala ny BP amin'ny andraikitra rehetra mifandraika amin'izany.
Ny mpanao dokam-barotr dia manambara sy manaiky fa izy irery no tompon'andraikitra ny amin'ny doka izay alefany sy hitan'ireo Mpampiasa ary ireo antontan-taratasy sy fampahalalana omeny an'ireo Mpampiasa.
Ny mapanao dokam-barotra dia manana ny andraikitra feno ny amin‘ny tonian-dahatsoratra izay alefany.
Noho izany, ny mpanao dokam-barotra dia manàla ny BP, ireo mpiara miasa ary ireo mpamatsy azy amin'ireo andraikitra rehetra amin'ny fanomezana antoka amin'ny tranga izay mety hifanohitra mifandray amin'ilay doka zay mety hitondra olana am'iretsy voalaza farany iretsy, ary handray ny andraikiny ny amin'ny « dommages-intérêts » sy ireo vola mety hahavoheloka azy, na dia teo aza ny « dommages-intérêts » nataon'i BP sy ireo mpiara miasa aminy.
Rehefa mandefa ny doka ireo mpanao dokam-barotra dia mahalala sy manaiky fa ny BP dia afaka manafoana, na mandà amin'ny fotoana rehetra, tsy misy onitra na famerenam-bola na ny fisafidianana ny sokajy handoavam-bola, ny doka mifanohitra amin'ny lalàna Malagasy, amin'ny lalàn'ny fandefasana ao amin'ny BEST PLACE ary mety hitondra ratsy amin'ny zon'ireo hafa (fahatelo).
Amin'ny ankapobeny dia anjaran'ireo mpanao dokam-barotra ny manamarina ny sata maha manokana na ny maha matihanina azy ireo.
Raha misy mpanao dokam-barotra manana ny sata olona manokana, nefa ny asany dia azo raisina ho matihanina, ny BP dia manana zo hametra ny fampiasany ny tolotra BP, manafoana na mametra ny isan'ireo doka azon'ilay mpanao dokam-barotra alefa amin'ny tranonkala.
Ny dokam-barotra di lasa sy manan-kery manomboka ny andro nandefasana azy, miaraka amin'ny eny amin'ny tranonkala sy ny « Applications » mandritra ny 60 andro farafahabetsany (ankoatra ny doka ao amin'ny sokajy Lamaody, Trano, Fialamboly sy « Multimédia » izay tsy voafetrany doka ao amin'ny « Pack Location de Vacances », izay manan-kery mandritra ny enim-bolana). Rehefa vita ilay fe-potoana 60 andro dia mandefa mailaka amin'ilay mpanao doka ny BP milaza hoe tapitra ilay fotoana ary manolotra torololalana izy hampitombo izany (2 volana). Raha tsy mamaly izany torolalana izany ny mpanao doka mandritra 5 andro dia tsy maintsy mamerina mandefa ilay doka indray.
Ny mpanao dokam-barotra dia manolo-tena ihany koa ny amin'ny kaontiny manokana na ny kaontiny matihanina mba :
Tsy hisy fampahalalana diso na/sy lainga
Tsy hisy fampahalalana ratsy ho an'ireo hafa (fahatelo)
Tsy hisy sary izay tsy hananany fananana ara-tsaina, misy olona hafa ankoaotran'ilay mpanao doka hita ao amin'ilay sary raha tsy hoe efa nahaza alala manokana izy handefa ilay sary, na misy tahirin-kevitra manana toetra manokana na azo raisina ho zavatra mamoafady, na mifanohitra amin'ny fombafomba na ny fiarahamonina.
Ny mpanao doka dia manaiky fa izy irery no tompon'andraikitra amin'ny fampahalalana alefany rehefa manokatra ny kaontiny manokana na matihanina izy.
Rehefa manokatra ny kaontiny manokana na matihanina izy dia manaiky sy mahalala fa ny BP dia afaka manafoana izany, amin'ny fotoana rehetra, tsy misy onitra na famerenam-bola amin'ny faran'ny fe-potoanan'ny sokajy handoavam-bola, kaonty izay mifanohitra amin'ny lalàna frantsay na/sy amin'ny lalànan'ny fandefasana apetraky ny BP.
Ny mpanao doka dia manaiky sy mahalala fa ny BP dia afaka mangataka ny antontan-taratasy ahafahany manamarina ny zavatra raiketin'ilay kaonty manokana na/sy kaonty matihanina sy ny fitanana ny zo na/sy fangalàna ny fahazon-dalana ny amin'ny fandefasana ilay doka.
Raha tsy manome ireo fanamarinana ireo ny mpana doka, dia manana zo ny BP hanafoana, na handà, amin'ny fotoana rehetra, tsy misy onitra na famerenam-bola ny vola noloan'ny mpanao doka amin'ny faran'ny fe-potoana ara-dalan'ny sokajy handoavam-bola.

4.2 Andraikitra sy adidin'ny Best Place
Ny BP izany dia tsy azo raisina ho tompon'andraikitra amin'ny votoatin'ny doka navoakan'ny mpanao dokam-barotra, ny hafatra sy votoaty mifanakalo amin'ny alalan'ny Hafatra, ary tsy manome antoka, mazava na an-tsoratra, momba izany.
Ny BP dia ampahany amin'ny taratasim-pifandraisana sy fifandraisana eo amin'ny mpanao dokam-barotra sy ny mpampiasa, izay no atony anilihany ny andraikitra rehetra amin'io lafiny io.

4.3 Famerana ny andraikitra
Ny BP dia manome toky fa hanao araka izay azo atao mba hahatsara hatrany ny tolotry ny serivisy BEST PLACE ho an'ny mpampiasa sy ny mpanao dokam-barotra.

Na izany aza, tsy tompon'andraikitra ny BP raha sendra :
Fahatapahana, fahasimbana tampoka, fanovana sy tsy fietezana eo amin'ny servisy BEST PLACE, na inona na inona fitaovam-pifandraisana nampiasaina, ary na inona na inona antony sy fiaviany,
Ny fahaverezan'ny angona na vaovao voatahirin'ny BP. Andraikitry ny mpanao doka no mandray ny fepetra rehetra ilaina amin'ny fitazonana ny dokam-barotra ataony ao amin'ny Servisy BEST PLACE ;
Tsy fahafahana vonjimaika hiditra amin'ny tranonkala sy/na amin'ny applications, noho ny olàna ara-teknika, na inona na inona antony sy fiaviany,
Fahavoazana mivantana na ankolaka miantraika amin'ny mpampiasa na ny mpanao doka, na inona na inona antony, vokatry ny votoatin'ny doka sy/na ny fidirana, ny fitantanana, ny fampiasana, ny fampandehanana, ny tsy fietezana sy/na ny fahatapahan'ny Servisy BEST PLACE.
Fampiasana tsy ara-dalàna ny Servisy BEST PLACE, nataon'ny mpampiasa rehetra na ny
mpanao doka,
Ny fanatanterahana ratsy na ny tsy fanatanterahana ny fifampiraharahana ataon'ny mpivarotra na mpividy mifandraika amin'ny fampiasana ny serivisy fandoavam-bola azo antoka,
Fanafihana na fijirika amin'ny solosaina, fanalana, famafana na fandrarana, vonjimaika na maharitra, ary na inona na inona antony, ny fidirana amin'ny Internet.
Ny BP dia tsy azo raisina ho tompon'andraikitra afa-tsy amin'ny fahavoazana mivantana azon'ny mpanao ny doka, vokatry ny tsy fanarahana ny adidiny ara-barotra araka ny voafaritra eto. Ny mpampiasa - ny mpanao dokam-barotra noho izany dia manafoana ny fitakiana onitra avy amin'ny BP na inona na inona antony, noho ny fahavoazana ankolaka toy ny fahaverezan'ny tombom-barotra, ny fahaverezan'ny vintana, ny fatiantoka ara-barotra na ara-bola, ny fitomboan'ny sarany ny fandaniana ankapobeany, na ny fatiantoka avy na vokatry ny fanatanetrahana izany,
Ny mpampiasa rehetra sy ny mpanao doka dia samy tompon'andraikitra amin'ny fahasimbana aterak'ireo antoko fahatelo sy ny vokatry ny fitarainana na hetsika mety aterak'izany. Ny Mpampiasa ihany koa dia manafoana ny fiampangana rehetra atao amin'ny BP raha toa ka misy fanenjehana araky ny lalàna napetraky ny antoko fahatelo aminy vokatry ny fampiasana sy/na fanararaotana tsy ara-dalàna ny Serivisy BEST PLACE, raha misy fahaverezan'ny mpampiasa na ny mpanao doka,teny miafina na fangalarana ny mombamomba azy.

ANDININY FAHA 5 : Fananana ara-tsaina

5.1 Ny zon'ny fananana ara-tsaina rehetra (toy ny zon'ny mpamorona, ny zon'ny mpifanolo-bodirindrina, ny zon'ny marika, ny zon'ny mpamokatra ny angon-kevitra) mifandraika amin'ny rafitra sy ny votoatin'ny tranokala, sy ny fampiharana ary indrindra ny sary, feo, horonan-tsary, logo, marika, lahatsoratra, fitaovana, rindrambaiko, antontan-taratasy, angona, sns. (antsoina avy eo hoe "singa") dia voatokana. Ireo singa ireo dia fananan'ny BP. Ireo singa ireo dia natao ho an'ny Mpampiasa sy mpanao dokambarotra, maimaim-poana, ho an'ny fampiasana irery ny Serivisy BEST PLACE, ny Serivisy fandoavam-bola azo antoka ary ny serivisy fanaterana, ary ao anatin'ny rafitry ny fampiasana mahazatra ny asany. Ny mpampiasa sy ny mpanao dokam-barotra dia manaiky ny tsy hanova mihintsy ny singa.
Ny fampiasana rehetra tsy nahazoana alalana mazava avy amin'ny singan'ny tranonkala sy ny Applications dia midika fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona ary mendrika fangalana tahaka. Mety hiafara amin'ny fanitsakitsahana ny zon'ny sary, ny zon'olombelona na ny zo sy fitsipika hafa manan-kery izany. Noho izany dia afaka mandray andraikitra sivily sy/na heloka bevava ny mpanoratra azy.
5.2 Voarara ho an'ny Mpampiasa sy mpanao dokambarotra rehetra ny mandika, manova, mamorona sangan'asa mifanohitra, mamadika ny famolavolana na fivoriambe na manandrana mitady loharanon-kevitra amin'ny fomba hafa, mivarotra, manendry, manambany ny fahazoan-dalàna na mamindra amin'ny fomba rehetra na zo mifandraika amin' ilay singa ary.
Ireo mpampiasa sy mpanao dokam-barotra rehetra ao amin'ny serivisy BEST PLACE dia miombon-kevitra manokana ny tsy:
- ampiasana na anontaniana ny Serivisy BEST PLACE, amin'ny anarana na ho tombontsoan'ny hafa;
- Hakana, ho an'ny tanjona ara-barotra na tsia, ny rehetra na ny ampahany amin'ny fampahalalana na dokam-barotra kely misy ao amin'ny serivisy BEST PLACE ;
- Handikana amin'ny fitaovana hafa, ho an'ny tanjona ara-barotra na tsia, ny rehetra na ampahany amin'ny fampahalalana na dokam-barotra kely misy ao amin'ny serivisy BEST PLACE ;
- ampiasana robot , indrindra fa ny fintrandrahana (spider), ny fampiharana amin'ny fikarohana na fakana tranonkala na fomba hafa ahafahana maka na manindrona ny votoatiny rehetra na ampahany , amin'ny tranonkala, afa-tsy nahazo fanomezan-dàlana mazava sy mialoha avy amin'ny BP;
- andikana amin'ny fitaovana hafa, amin'ny karazany rehetra mety hampiova manontolo na amin'ny ampahany ny rakitra tany am-boalohany.
Izay famokarana, fanehoana, famoahana, fampitana, fampiasana, fanovana na fitrandrahana ny singa rehetra na ampahany, na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, tsy misy fanomezan-dàlana an-tsoratra avy amin'ny BP dia tsy ara-dalàna. Ireo asa tsy ara-dalàna ireo dia miteraka andraikitry ny mpanoratra ary mety ho enjehin'ny lalàna izy ireo, indrindra amin'ny fanaovana hosoka.
5.3 Ny marika sy ny logo BEST PLACE sy BEST PLACE.mg, ary koa ny marika sy logo an'ny mpiara-miombon'antoka BP dia marika voasoratra anarana. Ny famokarana manontolo na ampahany amin'ireo marika sy/na logos ireo raha tsy nahazoana alalana an-tsoratra avy amin'ny BP dia voarara.
5.4 Ny BP no mpamokatra ny angon-drakitra ny Service BEST PLACE. Noho izany dia, voarara ny fitrandrahana sy/na fampiasana indray ny angon-drakitra.
5.5 Ny BP dia manana zo hanasazy ireo olona tsy nanaja ny fandrarana voarakitra ato amin'ity lahatsoratra ity.
Ny fanapahan-kevitra hampavitrika ireo rohy ireo dia andraikitra feno sy manontolo ny Mpampiasa.
5.6 Ny rohy mankany amin'ny serivisy BEST PLACE
Tsy misy rohy hypertexte azo noforonina amin'ny serivisy BEST PLACE raha tsy misy ny fanekena mialoha sy mazava avy amin'ny BP.
Raha misy mpampiasa Internet na olona ara-dalàna te hamorona rohy hypertext, avy avy amin'ny tranonkalany, mankany amin'ny serivisy BEST PLACE, na inona na inona fitaovana, dia tsy maintsy mifandray amin'ny BP amin'ny alalan'ny mailaka amin'ity adiresy manaraka ity serviceclient@bestplace.mg
Ny fahanginan'ny BP dia tokony raisina ho toy ny fandavana.
5.7 Ny votoatin'ny doka nalefa dia an'ny mpandefa azy, na izany aza, amin'ny fandefasana doka ao amin'ny tranonkala, ny mpandefa dia manaiky:
- ho an'ny BP ny zo fitrandrahana, azo afindra, ahazoana fahazoan-dàlana, maimaim-poana, ho an'izao tontolo izao amin'ny (i) ny votoatin'ny Doka rehetra ary indrindra amin'ny sary, lahatsoratra, horonan-tsary, marika, logos, anaram-boninahitra (manaraka avy eo ny "votoatiny"), rehefa navoaka tao amin'ny tranokala ary koa (ii) fahazoan-dàlana momba ny zon'ny fananana ara-tsaina rehetra mifandraika amin'ny atiny ary indrindra ny zon'ny mpanoratra amin'ireo singa ampiasaina ao amin'ny dokam-barotra, toy ny sary, lahatsoratra, horonan-tsary, fanoharana, singa misy feo, ary izany mandritra ny fe-potoana manontolo ara-dalàna ny zon'ny fananana ara-tsaina sy ho an'izao tontolo izao.
Ny zo nomena araka izany dia ahitana ny zo hamokatra, handefa, hizara, hampifanaraka, hanova, hamokatra asa hafa, handika ny atiny manontolo na amin'ny ampahany, amin'ny dingana rehetra, amin'ny endriny sasantsasany, amina fitaovana (niomerika, vita pirinty, sns. ) na fantatra na tsia amin'izao, ao anatin'ny rafitry ny serivisy BEST PLACE na mifandraika amin'ny asan'ny BP, ary izany na ho an'ny tanjona ara-barotra na tsia ary indrindra ho an'ny dokam-barotra, ary koa ao anatin'ny fanaparitahana amin'ny tambajotra sosialy amin'ny izay ny BEST PLACE dia manatrika, indrindra ny pejy Facebook, Instagram ary Linkedin an'ny BEST PLACE.
Indrindra indrindra, ny sarin'ny Doka dia azo averina sy ampidirina amin'ny endrika dokam-barotra aparitaka amin'ny tranonkala, izay tokony fifandraika amin'ny rohin'ny doka napetraka.
Ny mpandefa ny doka dia manome alalana amin'ny famerenana ny dokany sy ny votoatin'ity farany amin'ny tambajotra sosialy, indrindra ny Facebook, Instagram ary Linkedin. Vokatr'izany, ny mpandefa ny doka dia manamarina fa namaky ny fepetra sy fomba fampiasana ny tranonkala Facebook, Instagram ary Linkedin, ary manaiky ny lalàna rehetra mifehy azy ireo, indrindra momba ny fampiasana indray ny votoaty sy ny angona manokana.
Eo ambanin'io fahazoan-dàlana io, ny BP, dia manan-jo hanohitra ny famokarana sy ny fampiasan'ny olona ivelany izay tsy nahazoana alalana, ny doka navoaka tao amin'ny tranonkala sy ny atiny.
- ho an'ny mpampiasa, ny zo tsy manokana hiditra ny Votoaty amin'ny alàlan'ny Serivisy BEST PLACE ary hampiasa sy hisolo tena ny Votoaty araka izay omen'ny fampandehanan-draharahan'ny Serivisy BEST PLACE, ary izany manerana izao tontolo izao.

ANDININY FAHA 6 : Fandaharana samihafa
6.1 Ny BP dia manana zo, amin'ny fotoana rehetra, hanova na hanapaka ny fahafahana rehetra na ampahany amin'ny serivisy BEST PLACE.
6.2 Ny tsy fampafantaran'ny BP ny iray amin‘ireo fandaharana CGU misy ireo, dia tsy midika ho fandavana ny hampafantatra ny iray amin'ireo fepetra voalaza ireo.
6.3 Ny BP dia manana zo hanova, amin'ny fotoana rehetra, ny manontolo na ampahany amin'ny CGU. Ny mpampiasa sy ny mpanao dokam-barotra dia asaina mijery tsy tapaka ireo CGU ireo mba hahafantarany ny fanovana rehetra natao. Ny fampiasan'ny mpampiasa sy ny mpanao dokambarotra ny tranonkala dia maneho fanekena ny fanovana farany nataon'ny CGU.
6.4 Raha toa ka misy ampahany amin'ny CGU, tsy ara-dalàna, tsy manan-kery na tsy azo ampiharina , na inona na inona antony, ny fandaharana rehetra dia heverina ho tsy voasoratra, izay tsy hijerena ny fananan-kerin'ny fandaharana hafa izay mbola hampiharina eo amin'ny mpampiasa na mpanao ny Doka sy ny BP.
6.5 Ireto CGU ireto dia iharan'ny lalàna Malagasy.
Raha misy fahasahiranana amin'ny fampiharana ireo CGU ireo, dia ny BP aloha no tokony anatonan'ny mpampiasa voalohany, mba hitadiavana vahaolana am-pilaminana alohan'ny fifandirana eo anatrehan'ny fitsarana mahefa.

Raha hanohy ny fitsidihana ny tranonkalanay ianao, dia mila manaiky ny fampiasana ny Cookies.
Eny